<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J. Neander</author>
<lyrics>[V1]
 Andriamanitra Ray
 loharanon'ny aina,
 Masina, masina re, Hianao ka
 deraina
 Fa manome fahasoavana be,
 Soa tsy tratrin'ny saina.

[V2]
 O, ry Jesosy Mpamonjy,
 Mpanjaka mahery,
 Tonga tatý mba hampody ny
 zanaka very,
 Raiso izao ny fiderana Anao,
 Saotra aman-daza sy hery.

[V3]
 Ry Mpampionona ô,
 Mpanazava ny sainay,
 Mba ampinoy izahay, ka
 havaozy ny ainay,
 Mba hazavao ny manantena
 Anao ;
 Raiso ny hira hirainay !</lyrics>
<title>Andriamanitra Ray FFPM195</title>
<hymn_number>195</hymn_number>
</song>